|
|
|
|

Entry1  Ry fahafahana
Part of speech  2  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  3  Literature: poems
Author  4  Andriamanantena Georges
Full text 
5  Matokia, ry Fahafahana, 6  rahavavim-pivavahana! 7  Fa tsy ho moana 8  na ho foana 9  ao anatiko ao 10  ianao. 11  Holalaiko 12  sy hohajaiko 13  ka harovako 14  io ho lovako. 15  Fa raha ny peniko no halaina 16  an-tenin'aina, 17  ka didiana 18  sy tsindriana 19  tsy hanoratra anao, 20  d'henoy izao: 21  Io ny molotro 22  atolotro 23  hivazavaza 24  sy hanazava, 25  ka hiteny 26  ombieny ombieny 27  ny hasarobidinao 28  sy ny anara-masinao... 29  ka matokia 30  doria doria!
31  Fa na rahonana aho na tairina 32  ka ny molotro hozairina 33  raha miteny 34  anao ka reny, 35  lazaiko anao 36  fa mbola hanao, 37  hanaram-po 38  tokoa tokoa 39  ny hohon-tanako 40  an-kavanako, 41  hivikiviky 42  ka hikiky 43  rindrin-tany 44  sy handrin-tany, 45  vatan-kazo 46  sy izay azo 47  ametahana 48  ny Anaranao, ry Fahafahana!
49  Na ho penina hodorana, 50  na ho molotra hofatorana, 51  na ho tanana 52  hokantsanana... 53  tsy hampaninona 54  to'inona! 55  'Ngaha d'izany 56  monja ihany 57  no ahazoako manambara 58  anao hijoro hatrany am-para? 59  Ao ny masoko mijery 60  afaka hamindra hery. 61  Ao ny saiko, 62  ao ny aiko. 63  ao ny zanako, 64  taranako, 65  mbola hiady 66  sy hitady 67  ka hivonona hifandramatra 68  hibaiko izao tontolo izao.
69  Ka noho ianao 70  ny herim-ponja 71  dia ho " monja ", 72  ny letrezana 73  hihomehezana 74  satria tsy maintsy ampanjakaina 75  hatramin'ny fara fofon'aina 76  ny Herinao, ry Fahafahana!

Updated on 2025/07/29